
Tafiditra ao anatin’ny dingana lehibe amin’ny fanavaozana ny sehatry ny fanabeazana eto Madagasikara ny fikaonandoham-paritra, nontanterahana mandritra ny iray andro tao amin’ny kaominina Maevatanàna ambonivohitra ny Sabotsy faha-21 Novambra 2026 teo. Taorian’ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy, dia nitohy tamin’ny alalan’ny asam-bondrona, izay sehatra iray hanangonana sy handinihana ny soso-kevitra, ary ny hetaheta avy amin’ireo mpisehatra eny ifotony mba handraisana anjara amin’ny fanatsarana ny rafi-panabeazana. Nifantoka tamin’ny lohahevitra 03 ny dinika: Fitantanana, Kalitaon’ny fanabeazana, ny fahafahana misitraka fanabeazana. Raha ny angom-baovao voaray tamin’Andriamatoa talem-paritry ny Fanabeazam-pirenena Betsiboka hatrany, dia hiroso amin’ny fihaombe nasionaly ny dinika hanangonana ireo hevi-dehibe sy tolo-kevitra, aorian’ity fikaonandoham-paritra natao ity.
Ratantely



