- Publicité -
mardi, novembre 24, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversTsiroanomandidy : Jiolahy miisa roa maty voatifitry ny zandary

Tsiroanomandidy : Jiolahy miisa roa maty voatifitry ny zandary

Ny faran’ny herinandro teo, jiolahy roa isan’ny malaza ratsy ary raindahiny amin’ny resaka vaky trano sy ny fanafihana tany amin’iny fokontany Bemahatazana, distrikan’i Tsiroanomandidy iny indray no nanampy ireo namany any amin’ny varo-tsy mifody, rehefa nifanehatra tamin’ny zandary tany an-toerana. Araka ny fampitam-baovao azo dia ny andron’ny zoma lasa teo no nitrangana vaky trano tao amin’io fokontany voalaza io. Ary tsy trano iray ihany no tratra tamin’io fotoana io fa tokantrano maromaro tao an-toerana. Nampandrenesina avy hatrany moa ny zandary taorian’io tranga io. Fantatra ihany koa tamin’ny alalan’ny angom-baovao azo fa niala teo Bemahatazana ary nihazo ny lalana niantsimo, mankany Soafiadanana tany ireo olon-dratsy, nitondra ireo entana azony. Nandray ny andraikiny avy hatrany ireo zandary tany an-toerana, nanetsika ireo toby manodidina hanakanana azy ireo sy hitsongo dia ireto olon-dratsy ireto. Tokony ho tamin’ny fito ora hariva tany ho any, raha ny fampitam-baovaon’ny zandary no hita nandalo teo amin’ny toerana antsoina hoe Saroboay ireo jiolahy. Olon-dratsy izay marihana, araka ny vaovao azo hatrany fa nirongo basy sy fitaovam-piadiana hafa, niaraka tamin’ireo entana rehetra azon’izy ireo tamin’ny vaky trano izay vao avy nataony. Nosakanan’ireo zandary avy hatrany ireto andian’olona ireto, kanefa tsy nijanona velively izy ireo fa ny entana teny aminy no nalatsany ary nanohy ny fitsoahany izy rehetra. Raikitra teo ny fifanenjehana. Na dia efa nalefa aza ny fampitandremana dia tsy nety nanaja izany iretsy nohenjehina ka voatery nampiasa basy ireo mpitandro filaminana. Voa tamin’izay moa ny roa tamin’ireo olon-dratsy ary namoy ny ainy avy hatrany. Ny roa tamin’izy ireo kosa tafaporitsaka tao anaty haizina. Tamin’ny fitsirihana ny razana no nahafantarana fa ireo olon-dratsy raindahiny amin’ny resaka vaky trano izy ireo. Ary fomba fiadian’izy ireo ny mandrava trano maromaro amin’ny alalan’ny fampiasàna fonoka sy fanalahidy maromaro. Mbola mandeha moa ny an-toerana ny fikarohana ireo naman’izy ireo tafatsoaka. Ireo entana halatra navelan’izy ireo kosa dia efa samy naverina tamin’ny tompony avokoa.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici