Noho ny fiaraha-miasa nisy teo amin’ny fokonolona sy ny polisim-pirenena no nahitana ny omby roa nisy nangalatra. Ny fampitam-baovao voaray no nahalalana, fa nahitana fahaverezan’omby niisa roa nalain’ny jiolahy tsy voafaritr’isa ny tao amin’ny fokontan’Anosikely Avaratra, kaominina Maevatanàna voalohany ny 17 Novambra 2026 teo, tokon’ny tamin’ny 03 ora maraina. Noho ny fiaraha-miasa nisy teo amin’ny fokonolona sy ny polisim-pirenena, dia hita soamantsara ny datin’ny 19 Novambra 2026 nandritra ny fanarahan-dia tao Andranolava, eo anelanelan’ny kaominina ambanivohitra Tsararano sy Ambinanikely any amin’ny Kaominina ambanivohitra Mangabe, distrikan’i Maevatanàna ny omby roa nangalarina, izay navelan’ny olon-dratsy teny am-pitondrana. Tsy nisy kosa ny fifandonana tao anatin’ny fakana ny omby no efa naverina tamin’ny tompony.
Ratantely



