- Publicité -
mardi, novembre 24, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversTsaramandroso-Maevatanàna : Dahalo roa lavon’ny zandary

Tsaramandroso-Maevatanàna : Dahalo roa lavon’ny zandary

Dahalo folalahy nitam-piadiana no voamarina nanafika ny tanànan’i Tsaramandroso, Kaominina ambanivohitra Tsararano, distrikan’i Maevatanàna, ato anatin’ny faritra Betsiboka ny alin’ny Alahady faha 22 Novambra 2026 teo, tokon’ny tamin’ny 11 ora. Vatany vao tonga tany amin’ny tanàna voalaza etsy aloha izy ireo, dia nanapoaka basy ho noentina nandemena ny olona tsy hivoaka ny trano sy hanohatra. Nandritra ny fanafihan-jiolahy no naharay antso an-taribia ny Zandary miasa ao Tsararano. Saingy nanao ny sakana nalaky ny amin’ny mety ho lalan’ireo malaso hitondra ny omby ny mpitandro ny filaminana sy ny vatan-dehilahy. Taorian’izay no raikitra ny fifanjevona rehefa samy nifankahita ny telo tonta. Vokany: maty voatifitra tamin’izany ny malaso roalahy, raha tafaporitsaka nitsoaka kosa ny dahalo ambiny no navelan’ireo teo ny omby niisa valo nangalariny. Efa nomena ny tompony moa ny omby rehetra.

Ratantely

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici