- Publicité -
jeudi, novembre 26, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversBetsiboka : Manentana amin’ny ady amin’ny asa an-dahalo ny lehiben'ny faritra

Betsiboka : Manentana amin’ny ady amin’ny asa an-dahalo ny lehiben’ny faritra

Isan’ny vaindohan-draharaha napetraky ny lehiben’ny faritra Betsiboka ny ady amin’ny asan-dahalo ao amin’ny faritra iadidiany mba ahafahan’ny vahoaka miaina am-pilaminana tsy misy tebiteby manoloana izany. Ny alatsinainy 23 novambra taona 2026 teo no nihaona nivantana tamin’ny fokonolona sy nanao fanentanana tao amin’ny tanànan’i Tsaramandroso, kaominina ambanivohitra Tsararano, distrikan’i Maevatanàna ny lehiben’ny faritra. Anisan’ny voaresaka nandritra izany ny tsy tokon’ny hisalasalan’ny tsirairay amin’ny fanomezam-baovao marim-pototra sy ara-potoana amin’ireo tandroka aron’ny vozona, raha sendra mahita tranga mampiahiahy sy olona tsy fanta-piaviana mivezivezy eny amin’ny elakelan-trano eny. Nentanina ny amin’ny tsy fahazoana mampiasa basy tsy ara-dalàna ihany koa ny rehetra teto no tokony manana taratasy ara-dalàna, izay manana izany eny anivon’ny fiarahamonina. Taorian’izay dia ho hohamafisina ny dinam-pokonolona sy ny ady atao amin’ny kolikoly, raha ny fampitam-baovao voaray tamin’Andriamatoa lehiben’ny faritra Betsiboka hatrany.

Ratantely

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici