- Publicité -
dimanche, novembre 29, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversJiro solaire eny an-dàlana : Kely sisa dia ho lany tamingana !

Jiro solaire eny an-dàlana : Kely sisa dia ho lany tamingana !

Raha nisy mba fotodrafitrasa isan’ny nanazava ny renivohitra tao anatin’ny taona vitsivitsy izay dia ireo mandeha amin’ny herin’ny masoandro. Vokatry ny fiaraha-miasa tamin’ny firenena sinoa no nahazoana azy ireny matetika. Ankehitriny anefa dia efa mitady ho lany tamingana noho ny nafitsoky ny mpangalatra. Ireo tetsy amin’ny lala-mahitsy (vahilava) Ampitatafika dia efa tsy misy mandeha intsony. Maizina arak’izany ny làlana amin’ny kilaometatra maromaro izay tana mila hazavana satria matetika mitera-doza. Efa betsaka izay lozam-pifamoivoizana nitranga teo izay ka nampifandona ny fiara sy kodiaran-droa izay niteraka fahafatesana ny ankamaroany. Niatomboka tamin’ny fangalan’ireo mpangalatra ny vatoaratra aloha. Ao anaty lalotra « béton » izany fa dia nanam-potoana tsara ireo naka tsirairay izany. Vita indray izay dia nianihany ny andrin-jiro ary lasa ny « panneau solaire ». Tsy nionona teo fa mbola niverina indray ary naka ny jiro rehetra. Aman-taonany izany ary ankehitriny dia tsy misy afa-tsy ny vy andrin-jiro sisa tavela. Rehefa lany tamingana ny tao dia nihisaka indray ny olon-dratsy ary lasa nihazo ny lalam-baovao Ambohitrimanjaka indray. Izao dia efa manomboka miha-ritra tsikelikely ny « panneau » sy ny jiro. Mazava hoazy fa tsy hiandry ela intsony dia efa ho maizina tanteraka indray ny làlana eny an-toerana raha tsy misy ny fepetra maharitra horaisina. Ny etsy amin’ny Rocade atsinanana indray dia efa mipipika avokoa ireo jiro. Ireo indray dia mbola tsy nisy nangalatra aloha fa kosa mety ho olana ara-teknika. Lasa toy ireny any anaty alim-pandihizana ireny ny mpampiasa ny lalam-be ary vao mainka izany mety hampihena ny fifantohana ka ahiana hitera-doza.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici