- Publicité SW45 -
samedi, mars 15, 2025
AccueilFaits-DiversAmbatondrazaka : Lehilahy iray maty voapoizin’ny sakafo

Ambatondrazaka : Lehilahy iray maty voapoizin’ny sakafo

Olona maromaro nihinana  ireny misao amidy amin’ny sisin-dalana  ireny  no fantatra fa narary avokoa tany amin’ny tanana iray atao hoe Maritampona Amparafaravola iny .Araka ny loharanom-baovao voaray dia samy nivalana narary kibo avokoa izy ireo ary samy nitsabo tena araka ny nataony avy. Tao ny namonjy tobim-pahasalamana, tao ny nanao dokotera tena .Ny faha faha 23 febroary 2015 teo no niakatra ny hopitalin’Ambatondrazaka ny raim-pianakaviana iray, izay hita fa tena reraka tokoa, anisan’ireo nihinana misao niaraka tamin’ireto tao Maritampona ireto .Araka ny fanadihadiana natao teo amin’ny mpitsabo  dia anisan’ny nanao dokotera tena sy nihinana irony tambavy irony ity marary ity. Niombo ny aretina ka izao nentina niakatra ny hopitaly izao .Ny faha 24 febroary 2015 tamin’ny 1 ora maraina no nindaosin’ny fahafatesana ity raim-pianakaviana ity .Anisan’ny sakafo be mpankafy tokoa  aty Alaotra ny misao sy ny lasopy, ka ao ny manaja ny tontolon’ny fahadiovana, ao koa ireo tsy azo antoka  loatra, ka tokony samy ho mailo sy hitandrina ny rehetra amin’ny fihinanana  ireny sakafo amoron-dalana ireny.

Janus R

- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser