- Publicité SW45 -
samedi, mars 15, 2025
AccueilFaits-DiversIsotry : "Taxi-phone" voatafika, voatondraka asidra

Isotry : « Taxi-phone » voatafika, voatondraka asidra

Amin’ny andro antoandrobe nanahary no niseho ny fanafihana mitam-basy tetsy Isotry. Omaly, tokony ho mitataovovonana, no nisehoan’izany asa ratsy izany. Tsy vitan’ny voatafika ilay mpikirakira « taxi-phone » fa mbola niharan’ny herisetra ihany koa. Notondrahan’ireo telolahy nitondra basy  basy, vita gasy raha araka ny loharanom-baovao akaiky ny mpitandro ny filaminana – tamin’ny asidra ilay lehilahy nony avy eo. Lasa tao anatin’izany savorovoro izany ny vola mitentina 50.000 ariary, vola maty nandritra ny tapak’andro. Ilay lehilahy kosa nentina naterina faran’izay haingana teny amin’ny hopitaly noho ny faharatràna nanjo ny tarehiny, vokatr’ilay toraka asidra. Tsy dia noeritreretin’ny maro ihany ny hoe mpikirakira ireny fitaovam-pifandraisana amoron-dàlana ireny no ho voatafika. Izy ireny mantsy no tena matetika mahafantatra ny olona mpivezivezy sy mihainohaino eo amin’ny kartie misy azy. Dikan’izay, mahafantatra ihany koa ireo olon-dratsy sy mpanao sinto-mahery isan-karazany ireo. Ankoatra izay dia mampiasa ireny taxi-phone ireny ihany koa ny jiolahy matetika rehefa mandamina ny asany, izany dia mba hanafenana ny laharana findainy. Mazava ho azy fa henon’ny mpikirakira taxi-phone izay resaka mandeha eo ary vokatr’izay dia lasa mahafanta-javatra izy ireo. Izany no mahatonga ny mpanao fanadihadiana manatona azy ireny matetika rehefa mitady vaovao, na te-hamantatra olona.  Vokatr’izany fahafantaran-javatra izany dia sady hajain’ny jiolahy ny mpanao taxi-phone no koa matetika arovan’ny mpitandro ny filaminana, na dia tsy miseho mivantana aza izany rehetra izany. Omaly anefa dia nivadika tanteraka ny rasa satria jiolahy nitam-basy sy asidra no tonga nanafika taxi-phone…

Didi R.

- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser