- Publicité SW45 -
samedi, mars 15, 2025
AccueilFaits-DiversIsotry : Lehilahy mamo, voaolana sady voaendaka no voadaroka

Isotry : Lehilahy mamo, voaolana sady voaendaka no voadaroka

Lehilahy 26 taona, monina etsy Antetezana Afovoany, mamo nody irery alina, avy nanala azy niaraka tamin’ny mpiara-miasa namany, no voaolana sady voaendaka no voadaroka, afak’omaly alina, tetsy Isotry tsy lavitry ny tetezana Bekiraro. Raha ny vaovao voaray, dia bandy telolahy no nanao fihetsika mamohetra taminy. Tsy vitan’ny nandroba ny kitapo nobabeny ireo olon-dratsy fa mbola nanao filan-dratsy taminy ihany koa. Raha ny loharanom-baovao dia mampihorin-koditra ny zava-misy eny Isotry sy ny manodidina, tato ho ato, fa misy andian-jatovo mpidoroka rongony mihaza ireo tara fodiana na tratra alina amin’ny toerana tsy andalovan’olona firy. Avy eo hanamparan’izy ireo ny filan-dratsiny izay tratra. Raha ny loharanom-baovao voaray hatrany : efa maro no lasibatra, hatramin’ny tsy ampy taona, saingy tsy mbola nisy tratra ireto andian-jatovo mahery fihetsika ireto.
Eric Man

- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser