
Nitokona nidina an-dalambe teny Andohatapenaka, omaly tolakandro nanomboka tamin’ny 4 ora, ireo mponina traboina dibodrabo avy amina fokontany maromaro ambanin-tanana. Tapaka tsy azo nifamezivezena ny lalana avy eo 67 ha Atsimo mihazo an’Itaosy iny. Betsaka ny nandeha tongotra. Hatreny Anosy, Ankazomanga, sy toeran-kafa ny fitohan’ny fiara. Raha ny fanazavan’ny komitim-pokontany sy ny solontenan’ireo vahoaka nitokona, ny antony fitokonana dia noho ny tata-drano tsetsina. Tsy mivoha ka mihandrona tsy afaka mandeha ny rano, ary miaina ao anaty rano maimbo maloto ireo mponina dibodrano mijaly tsy misy handehanana intsony.
Romotra. Efa nisy ny maty, hoy ireo traboina mitokona, nefa tsy taitra ny tompon’andraiki-panjakana, na dia efa telo volana aza ny mponina amin’ireo toerana iva fefiky ny rano no nangataka hanadiovana ny tatatra, kanefa tsy misy valiny izany hatramin’izao. “ Nataonay izao hetsika izao hanairana ny mpitondra, sa andrasana ho olona an-jatony ve no ho faty vao hisy ny fanadiovana ny tatatra hivarinan’ny rano ”, hoy ny horakorak’ireo traboina dibodrano nidina an-dalambe, omaly. Raha ny voalazan’ny solontenan’ny vahoaka nitafa tamin’ny mpanao gazety dia tsy hijanona ny fitokonan’izy ireo, raha tsy voavaha ny olana, na dia hisy aina hafoy aza. Tonga teny an-toerana omaly hariva tokony ho tamin’ny 5 oara mahery kely, ny mpitandro filaminana nandeha fiara 4×4 roa hanamparitaka ireo vahoaka nidina an-dalambe mba hisokafan’ny lalana. Romotra ireo mpitokona, Tamin’ny hariva efa maizina, efa nisy ny toratorabato ary efa saika raikitra ny sakoroka.
Eric Man