- Publicité SW45 -
vendredi, mars 14, 2025

Tapatapany

# – Anosizato. Bibilava nampitahotra. Bibilava lehibe iray mirefy manodidina ny 1,20 metatra no nipoitra tao an-tanimbary tampoka ka nanaitra ny olona teo amin’n y fasan’ny karàna, Anosizato. Tsy hitan’ny maro izay natao noho ny tahotra. Nisy ihany ireo vatan-dehilahy mba sahy nibata an’izany, saingy vao nihetsika ilay bibilava dia votsotra ary tafaporitsaka. Efa nandeha anefa ny kinasa saika hanaterana aza tany Tsimbazaza…

# – Andravoahangy. Lehilahy safotra an-dalana. Omaly maraina teny Andravoahangy, tsy lavitra ny « rond point » tsy fantatra izay nahazo ity lehilahy iray fa tonga dia nianjera tamin’ny tany izy ary tsy nahatsiaro tena. Nampandrenesina haingana ny mpamonjy voina izay manana toby tsy lavitra eo. Izy ireo no nitondra haingana an’ilay olona marary any amin’ny hopitaly.

# – Ambohimanambola. Lehilahy maty lasan’ny rano. Tamin’ny alakamisy hariva, lehilahy iray voalaza fa handeha hody no nikasa hiampita ny rano teny amin’ny faritr’Ikopa. Faran’izay nahery anefa ny rano noho ny rotsak’orana io andro io. Voalazan’ny ireo izay nahita fa tsy tafapoitra intsony ny anao lahy raha vao tao anaty rano. Niezaka nitady azy ny olona fa tsy hita izay nisy azy. Voalaza moa fa maty ity olona ity.

D.R/ r.s.

- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser