- Publicité SW45 -
vendredi, mars 14, 2025
AccueilFaits-DiversAmbodirano - Sabotsy Namehana : 8 lahy nanafika, lasa ny vola sy...

Ambodirano – Sabotsy Namehana : 8 lahy nanafika, lasa ny vola sy ny firavaka, olona iray naratra

Nisehoana fanafihan-jiolahy tany amin’ny tanàna antsoina hoe Ambodirano, eny Sabotsy Namehana, ny alin’ny alakamisy teo. Araka ny loharanom-baovao, niisa valo ireo mpanafika ary nitondra fitaovam-piadiana. Nihanika tamboha ireto bandy ireto. Rehefa tao amin’ny tokotany dia ny mpiambina no nataony izay tsy nahafahany nihetsika. Nofatorany izy io ary dia dia niditra ny trano ry zalahy. Nopotehany tamin’ny barre à mine ny varavarana. Rehefa izany, niditra ny trano ny telo izay voalazan’ny vaovao fa nanao saron-tava. Ny sisa niandry tany ivelany. Henon’ny tao an-trano avokoa izany rehetra izany ary dia nitady lalana nandosirana ny rehetra. Nisy iray anefa tsy tafavoaka ary tratran’ireo olon-dratsy. Niharan’ny daroka izy io. Novelesin’ireo mpangalatra tamin’ilay barre à mine ary naratra mafy tokoa. Tsy nijanona tamin’ireo ireo mpandroba fa dia nanaram-po naka izay hitany rehetra. Lasa ny vola, ny telefonina hitany tao an-trano ary ny firavaka rehetra. Raha vao azony izany dia lasa nandeha ry zalahy. Lavitra sady saro-dalana sy zary mitoka-monina ny eny Ambodirano ka na dia afaka nampandre ny mpitandro filaminana aza ireo afaka nandositra ivelan’ny trano dia ela ihany vao tonga teny an-toerana ny zandary.  Efa mandeha ny fanadihadiana amin’izao fotoana izao.

nangonin’i r.s.

- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser