Mpangalatra taolam-paty sy mpamaky fasana fito mianadahy, no voasambotry ny mpitandro filaminana nampian’ny fokonolona, tany Farafangana, ka natolotra ny fitsarana afak’omaly taorian’ny fanadihadihan’ny zandary. Fasana fito no nisesisesy vaky tao amin’ny kaominina Mahafasa sy Evato. Ny 22 janoary lasa teo, mpandraharaha iray no nanondrana vary 130 latsaka novidiana tao amin’ny kaominina Mahafasa nalefa lakana mandeha motera ho ao Farafangana. Nampidinana tao Maromainty, kaominina Anosy Tsararafa ny 29 gony tamin’ireo, izay tsikaritry ny mpandeha lakana fa misy fofona maimbobe. Nanomboka teo, nahiahiana amin’ny vaky fasana sesilany tany an-toerana ity mpandraharaha ity.
Ar 400.000. Ny alakamisy lasa teo, olona telo no nikasa hamaky fasana. Tafaporitsaka ny roa, fa ny iray kosa tratran’ny zandary sy ny fokonolona tao amin’ny tanànan’i Ambohitrabo kaominina ambanivohitra Tangainony. Nilaza ity lehilahy sarona (avy any amin’ny distrikan’i Vondrozo fa asa vaky fasana no tena nitongavany tao Farafangana), fa mpandraharaha ara-toekarena ao Anosy Tsararafa sy ao Mahafasa ary olon-tsotra monina ao Mahafasa no naniraka azy. Efatra hetsy ariary ny karamany. Mbola tratra teny aminy (N.) ny fitaovana toy “barre à pince”, “lame scie à métaux”, ary fanjaitra lehibe hentina manjaitra ny gony feno taolam-paty.
Eric Man