Na dia efa milamina aza ny raharaha mahakasika fanaovana herisetra tamin’ny mpanao gazetin’ny RNM/TVM Toliara, Siely Landernaux, ny asabotsy hariva teo, dia manameloka ny fihetsika tsy faseho masoandro mamoehatra amin’ny fikasihan-tanana mpanao gazety ny minisiteran’ny Serasera.
Omaly ihany dia nampanantsoin’ny raiamandrenibe mpitan-kazomanga avy ao amin’ny Toko be telo, izay foko niavian’ilay kandidà depiote sy ilay mpanao gazety, izy mirahalahy mba hamitra-pihavanana. Niaiky ny hadisoany teo anatrehan’ireo ray aman-dreny ara-drazana ilay kandidà depiote nanao amboletra niditra tao amin’ny Soatalily ary nanosika sy nikasi-tanana an’ i Siely Landernaux ka nampitrosona tamin’ny tany ity mpanao gazety ity.
Manitrisa