Tamin’ny zoma 3 janoary, tokony ho tamin’ny iray ora alina, no nitranga io raharaha io. Saika nisy ny fifampitifirana tamin’ny samy mpitandro ny filaminana. Henjana ny raharaha tamin’izany satria tsy nanaiky ny handehanan’ireo fiara ireo ny commandant de compagnie teo aloha.
Teo amin’ny “barrage” ataon’ny zandary teo Mahatsara no nanakanana azy ireo, izay 5 km miala ny tanànan’i Sambava. Rehefa nojerena ireo « camion » ireo dia hazo sarobidy na “bois de rose” no tao anatiny. Voatery nabahan’ilay CB, teo ampovoan-dalana ny fiara 4×4 nentiny , mba hampijanona azy ireo. Tamin’ny fanadihadiana natao tamin’olona niatrika sy nahita maso no nahalalana fa nisy niteny tamin’ireo zandary ireo fa “an’i Faneva ireo bois de rose io koa tsy tokony hosakanana”. Baiko avy any ambony no nilaza izany. Ambony aiza ? Eo no tsy fantatra ary tsy nazava. Raha naheno izay ilay CB teo aloha dia niantso ny zandary miara-dia aminy. Tokony ho tamin’ny iray ora sy sasany alina no nitrangan’izany. Niantso ny azy koa ny avy amin’ny andaniny, izay notarihin’ny officier iray, ary nampitandrina ireo zandary mitondra moto ireo, ary nampiala azy ireo tsy misy hataka andro, fa baiko no andehanan’ireo “bois de rose” ireo. Rehefa hitan’izy ireo fa tsy nilavo lefona anefa ny ekipan’ny “motard” dia nisy mpandraharaha iray ( Edith Maki) nanambitamby azy amin’ny vola mba handehanany. Tsy nanaiky izany izy ireo, satria efa hijoro amin’ny fahamarinana. Tokony ho tamin’ny 2 ora maraina dia nandehanan’ireo zandary sasany tany an-tranony ilay tompon’ny fiara nentin’io CB io, ary nirahiny mba haka ny fiarany. Teo no nahatonga ilay CB naka ireo “la clé”n’ny fiara rehetra, mba hahitan’ny vahoaka azy ny maraina. Nitady hevitra hafa izy ireo mba hampandehanana ireo fiara mitondra ny andramena. Mba nialana tamin’ny fifanjevoana sy ny faty olona dia nisintaka moramora ihany ilay CB tamin’ny farany, ary niantso ny tompon’andraikitry ny fanjakana ambony izay sendra tao Sambava, saingy tsy namaly izy raha tsy efa lasa ireo fiara nitondra ny andramena ireo. Vola eo amin’ny 535 million Fmg no nifandroritana. Io no nentina namadika tanindrazana tamin’io andro io. Tamin’izay koa no nahalalana fa mpitandro filaminana maro no tafiditra amin’io raharaha io. Tokony ho tamin’ny 5 ora sy sasany maraina dia nampandre ny mpanao gazety ity CB ity. Tamin’ny fotoana nahatongavan’ireo mpanao gazety ireo dia mbola nahita fiaran’ny zandary manao “escorte” ny fiara iray mitondra io andramena io. Hoentina aiza ? Raha nandeha nijery sy nanadihady teny amin’ny tobin’ny zandary ny mpanao gazety, tokony ho tamin’ny 6 ora sy 15 minitra, dia zandary 7 lahy no nibahana ny lalana ary nampitahotra azy ireo, mba tsy hiditra lalina amin’io raharaha io.
Kanefa na izany aza dia tsy havelan’ny mpanao gazety ho very maina ny fanadihadihana…
V.JCL/BJC