- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-Divers67ha : Telolahy nirongo basy sy sabatra, nanendaka ramatoa tanaty fiara

67ha : Telolahy nirongo basy sy sabatra, nanendaka ramatoa tanaty fiara

Ny tondran-drano manao ny ataony, ny lavadavaka manemitra ny araben’Antananarivo, ny fitohanana manginy fotsiny … manampy izany rehetra izany ny afitsok’ireo olon-dratsy. Telolahy nitondra basy sy sabatra no nanendaka ramatoa iray tao anaty fiara, raha ity farany taraiky tao anatin’ny fitohanan’ny fiara, teny amin’iny faritra 67ha iny, ny talata hariva lasa teo, tokony ho tamin’ny 7ora tany ho any. Tsy nisy nahateny ireo mpandeha rehetra tao anatin’ny fiara fitaterana iray, taorian’io fiara kely voatafika io, nahita ity tranga ity. Araka ny nambaran’ireo nanatri-maso, dia nipoitra avy amin’ilay arabe mihazo an’Ankasina iny ireto telohany. Nitohana izay tsy izy, ary zara raha nihetsika ny  fifamoivoizana ho an’ireo mizotra ho an’iny faritra Andohatampenaka iny. Nifanandrify teo amin’ny arrêt vatobe mihitsy no nanatona moramora ity fiara kely ireo telolahy. Tsy nisy afa-tsy olona roa no tao anaty fiara, ilay mpamily sy vehivavy iray, izay milalao irony « tablette » irony. Avy hatrany dia basy no teny amin’ny lohan’ilay mpamily, angamba mety nampitandrina an’ity farany tsy hihetsika mahery. Etsy andanin’izay koa anefa, efa nisikotra ilay fitaratra mihidy, tamin’ny sabatra, teo amin’ilay ramatoa ny roalahy. Tao anatin’ny fotoana vitsy monja no nanaovan-dry zalahy izany, ary indro fa efa eny an-tanan’izy ireo ny pôketra, niaraka tamin’ilay tablette sy finday. Tsy rototra akory ireto roalahy niala moramora teo amin’ilay fiara, raha avy hatrany kosa dia tsy hita tany nanjavonana ilay iray nitondra basy. Fa talohan’izay, tokony ho tamin’ny 6 ora sy sasany tany, nisy tranga nitovitovy tamin’io ihany koa teny Ankasina, raha ny fitantaran’ireo nanatri-maso teny an-toerana. Mbola telo lahy nitondra basy sy sabatra ihany koa. Inoana marimarina fa mbola ireto olon-dratsy telolahy ihany ireo. Raha izao tranga amin’izao fotoana izao tokoa no dinihana, mety ho efa tsy indroa intsony fa ho tafiakatra im-polo mahita ny maizina ny mponin’ny renivohitra !

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser