Araka ny vaovao voaray teo anivaon’ny polisy misahana ny fanaraha-maso ny sisintany, dia rava ny tambazotra mpandefa olona any ivelany. Vehivavy fito no indray voasambotra ary nahitana taratsy maro dia maro tao amin’ny trano nisy azy ireo. Manamarika manokana ny polisy, fa amin’ireo voasambotra dia mpianaka ny telo. Izy ireo no voatondro fa tompon’andrikitra amin’ny fanondranana olona. Ny efatra kosa dia ireo izay efa miomana ny handeha.
Naharay vaovao ny polisy, fa misy tambazotra mpandefa olona mankany ivelany (Arabie Saoudite sy Libye ary Koweit) eny Andohan’i Mandroseza. Tsy niandry fa avy hatrany dia nandeha teny an-toerana ireo mpitandro filaminana tamin’ny 2 martsa teo. Olona fito no tratra tao. Natao ny fisavana, ka tamin’izany no nahatratrarana pasipaoro karazany roa ( biometrique sy électronique) hatrany amin’ny 82, taratasy fanamarinam-ponenana avy tany amin’ny faritany sy avy eto Andrenivohitra. Marihina fa, efa misy sonia avokoa izy ireo fa tsy mbola misy anaran’olona, “certificat de scolarité”, tsy misy anarana vita sonia ihany koa.
Tamin’ny alarobia izy ireo no natolotra ny Fampanoavana ary dia notazonina any am-ponja vonjimaika ny efatra.
nangonin’i r.s.