- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversMoramanga : Mpamaky trano tratra teo am-pivarotana entana halatra

Moramanga : Mpamaky trano tratra teo am-pivarotana entana halatra

MPANGALATRATra-teheky ny zandarimaria ato anatin’ny vondron-tobim-paritra Moramanga, teo am-pivarotana ny entana  halatra, ireo telolahy mpangalatra gaigilahy namaky ny tranovaton’ny fiangonana METM Gileada Famonjena, ny alin’ny alahady voalohan’ny volana martsa. Entana mitentina 10.000.000 ariary no very, entana maro toy ny vary 300 kilao, ireo zava-maneno rehetra, bisikileta, masinina fanjairana ary ireo kojakoja maro samihafa. Izay voabatany dia nalaina avokoa. Nandritra ny fanadihadiana natao an’ireo olon-dratsy dia niahiky izy ireo fa efa mpandalo matetika teo amin’ny manodidina ity fiangonana ity, ka nahatonga ny fitsiriritana ireo fitaovana fampiasa tao, sady efa mahazatra azy ireo rahateo ny mamaky fiangonana hatrany amin’izay toerana nonenany tany, dia mifindra indray rehefa manomboka tsikaritry ny fiaraha-monina, kanjo izao tratra izao nony farany. Efa nampiahiahy ny olona teto Moramanga renivohitra ny fomba nivarotany ireo entana ireo nandritra ny andro maromaro, ka nahatonga ilay nivarotana hiantso ny lehiben’ny vondron-tobim-paritry ny zandarimaria eto Moramanga, izay nanafaingana ny nisamborana azy noho ny fisian’ny fitarainana efa nipetraka nialoha ,ary efa tafaverina any amin’ireo biraom-piangonana avokoa ireo entana sisa tsy mbola lafo. Tsy hijanona ny fikarohana ireo entana efa namidin’ny mpangalatra.

CATHY

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser