Nisehoana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina indray teny amin’ny lalam-pirenena faharoa omaly antoandro. Kamiô citerne iray no tsy nahatana ny familiany intsony ary dia nifatratra tany amin’ny tranon’olona, tao amin’ny tanàna antsoina hoe Sahavalaina, kilaometatra vitsivitsy miala an’i Brickaville. Vokany, ankizivavy kely iray no namoy ny ainy, tao amin’ilay trano nifaharan’ity fiarabe ity, raha samy nahitana faharatrana avokoa ny mpamily sy ny mpanampy azy tao anatin’ilay fiara, araka ny voalazan’ireo olona teny an-toerana. Araka ny fanazavana azo hatrany dia handeha hizotra ho any an-drenivohitr’i Betsimisaraka ity kamiô citerne ity no sendra ity loza mahatsiravina ity. Tsy nitsaha-nikija moa ny orana ny faran’ny herinandro lasa teo, ary mbola nitohy tsy an-kijanona izany omaly. Nalama dia nalama ny lalana. Tao anatin’izany anefa, somary nandeha mafy ihany ny fiarabe, raha ny fitantaran’ireo mponina hatrany. Tsy fantatra mazava kosa izay nahazo azy, angamba mety antony ara-teknika, araka ny tombatomban’ireo olona hatrany, fa avy hatrany dia namantana teny amin’ity trano iray teo amoron-dalana ilay fiara. Potika tsy nisy noraisina ilay trano, izay vita amin’ny hazo, toy ireo fahita any amin’iny faritra Antsinanana iny. Olona maromaro ihany no tao anatin’ilay trano, raha ny vaovao voaray, saingy tafaporitsaka avokoa tamin’ny fotoana nisian’ny loza. Ilay ankizivavy kely, manodidina ny 10 taona teo kosa no tavela tao. Niezaka namomjy ity ankizy tavela tao ity ihany ny olona saingy indrisy fa efa ny vatana mangatsiakany sisa no nosokirina tao. Naratra vokatry ny fifandonana ihany koa ireo roalahy tao anatin’ilay fiarabe. Fa mbola lozam-pifamoivoizana ihany vokatry ny lalana malama sy ratsy teto an-drenivohitra, fiara iray no nandona vehivavy teny Andavamamba, omaly hariva. Naratra mafy vokatry ny dona nahazo azy izy, raha ny filazan’ireo nanatri-maso, ary nentina haingana namonjy toeram-pitsaboana.
m.L