- Publicité -
mercredi, juin 18, 2025
AccueilFaits-DiversBesarety : Trano nirodana, tovolahy iray naratra mafy tototra tao

Besarety : Trano nirodana, tovolahy iray naratra mafy tototra tao

TRANO-(2)Vokatry ny fisian’ilay andro ratsy  ka nampijojo tsy an-kijanona ny orana teto  An-drenivohitra sy ny manodidina ny alatsinainy lasa teo, trano iray tetsy Besarety no nirodana, omaly. Tovolahy iray no fantatra fa taraiky tototry ny biriky sy ny hazo tao anatiny tao ary nosokirin’ireo mpamonjy voina mihitsy vao afaka. Na dia izany  aza anefa, avotra soa aman-tsara ihany ny ain’ity tovolahy ity rehefa tonga tany amin’ny hôpitaly. Araka ny fitantaran’ireo mponina teny amin’ny manodidina, nanomboka tany amin’ny 3ora sy sasany maraina tany ho any no naheno zavatra nidoboka mafy izy ireo. Trano efa somary antitra ihany ity izy, ary navadiky ny tompony ho toerana fikirakirana aterineto, na « cyber ». Tsy nisy afa-tsy roalahy no tao an-trano tamin’io fotoana io, araka ny fanazavana azo hatrany. Tamin’ny fotoana nihotsahan’ny andry tafo voalohany dia efa mailo ilay iray ary nitsoaka nivoaka ny trano. Ilay faharoa kosa mbola tavela tao ary io nihotsahan’ilay trano io. Fotoana fohy taorian’ny nisehoan’ny loza, no tonga teny an-toerana ny mpamonjy voina, niezaka nitady ilay tovolahy sy nifehy ny loza. Ora vitsy taty aoriana no hita ilay tovolahy. Naratra mafy vokatr’izany  ny tenany ary efa sempotra tsy avy niaina intsony. Ny filazan’ireo olona nanatri-maso hatrany no nahalalana, fa efa tsy nahatsiaro tena intsony ity lehilahy ity tamin’izy navoaka tao. Tonga teny amin’ny hôpitaly anefa, velon’aina soa aman-tsara ny tovolahy ary efa nahazo ny fitsaboana sahaza azy. Marihina fa ankoatran’io teny Besarety io dia niisa efatra ireo trano nirodana teto an-drenivohitra, araka ny filazan’ireo mpamonjy voina. Teny amin’ny « La Haute », Avaratr’Ankatso, Antsakaviro ary Antaninarenina. Soa ihany tamin’ireo trano nianjera ireo fa tsy nisy ny naratra na ny  maty.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser