- Publicité -
jeudi, juillet 10, 2025
AccueilFaits-DiversMahajanga : Raikitra ny sakoroka eo amina sekta sy fokonolona

Mahajanga : Raikitra ny sakoroka eo amina sekta sy fokonolona

Na dia efa eo aza ny voina mahazo ny mponina ao an-drenivohitr’i Boina ao, noho ny afitsoky ny rano miakatra, nanampy izany indray ny trangana savorovoro tao an-tampon-tanàna omaly. Fifandonana teo amin’ny fokonolona sy ny mpino amina sekta iray, tarihin’i Tatandraza sy Maitra Sanga, no niseho tao Antanimasaja, ka naharatrana olona. Raha ny fanazavana nomen’ny mpitandro filaminana dia resaka ampahafolon-karena no niandohan’ny fifanolanana teo amin’ireo olona ireo. Nisy olona avy amin’ny faritra Amboromalandy iny, nivavaka tao amin’io fiangonana zandriny io. Toa tapitra notaperin’io lehiben’io fiangonana io avokoa ny fananany, satria dia efa nomena namidiny hatramin’ny tanimbary sy ny trano. Niakatra afo noho izany ny fianakavian’ity olona ity ka tonga tao amin’ny toerana nisy ilay fiangonana, tao Antanimasaja, mba hanala ny fianakaviany ao amin’ilay fiangonana. Tsy nanaiky izany anefa ireo mpino, ary avy hatrany dia nidaroka sy namono ireo fianakaviana. Nisy ny naratra izay novonjena haingana tany amin’ny hôpitaly. Tsy vita hatreo anefa ny resaka. Naheno izany ireo fokonolona teo amin’ny manodidina ka avy hatrany dia niandany tany amin’ireo olona avy any Amboromalandy, nifanandrina tamin’ireo mpino. Ireto farany indray dia nampian’ny andian’olona notarihan’i Maitra Sanga. Raikitra ny fifandonana, voatery niditra an-tsehana ny mpitandro filamiana avy ao amin’ny Emmo. Araka ny fantatra hatrany dia efa likiliky amin’ny afitsok’ity fiangonana zandriny ity ireo mponina any an-toerana. Misy fotoana mantsy izy ireo sahy manamby sy manimbazimba ny fomban-drazan’ireo mponina, raha ny loharanom-baovao azo hatrany. Tsiahivina fa ity lehilahy mpitarika ity Sekta ity ihany koa ilay nilaza ho Jesosy, tonga niresaka nivantana tamin’ireo mponina tao Amborovy, fotoana vitsy lasa izay. Ary mbola noho ilay fivavahana tarihiny ihany koa no voatondro ho antony nahafaty ankizivavy kely iray tao Moramanga, tamin’ny herintaona.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser