- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025

Tapatapany

#-Itaosy. Vehivavy maty irery tao an-tranony. Tsy fantatra mazava izay ora sy fotoana nahafatesan’ity ramatoa iray teny Ambaniala Itaosy ity. Efa vatana mangatsiaka mantsy sisa no hitan’ny fokonolona sy ny zandary teny an-toerana. Raha ny fizahana voalohany natao, dia hita ho nisy dian-dratra toa kapa famaky teny amin’ny vatan’ity ramatoa ity ary nahitana mangana ihany koa. Mbola tsy azo vinavinaina hatreto izay antony nahafaty ity ramatoa ity araka izany. Novonoina sa matin’ aretina ? Ny fanadihadiana sy ny « autopsie » irery ihany no afaka hamaly izany, araka ny filazan’ireo mpitandro filaminana.

#-Ampasapito. Kamiô tapaka « frein », nifaoka fiara sy nandona tranon’olona. Nisehoana lozam-pifamoivoizana nahatsiravina indray tetsy Ampasapito, ny harivan’ny zoma lasa teo. Fiara be iray avy eny Ampasapito, nizotra hihazo ny lalam-pirenena faharoa iny no tapaka frein teo am-pidinana. Nifaoka fiara kely hatrany amin’ny sivy ilay izy ary namarana ny lalany teny amina rindrina banky iray teny an-toerana, tsy lavitrana toby fivarotan-dasantsy. Potika avokoa ireo fiara. Olona maromaro no naratra vokatr’izany, araka ny fantatra ka vehivavy iray no tena voa mafy.

# – Làlana Digue. Mpitondra moto maty voadona. Ny alin’ny zoma lasa teo, mpitondra moto iray no fantatra fa maty noho ny lozam-pifamoivoizana niseho teny amin’ny Làlana Digue. Ny loharanom-baovao no nahafantarana fa nandeha mafy ny fiara nandona azy. Ilay mpitaingina kodiaran-droa koa torak’izany. Nianjera niakarapoka izy ary dia izany no nitarika ny fahafatesany. Matetika isehoana loza amoizana ain’olona iny Làlana iny. Ireo Mipetraka eny amin’ny manodidina dia samy milaza fa, vokatry ny fandehanana mafy avokoa izany.

# – RN 2 Ambatolaona. Nitohana nandritry ny andro iray ny fifamoivoizana. Ny marainan’ny zoma teo, tokony ho tany amin’ny 5 ora tany ho any, nahazo antso izahay fa mitohana tsy misy ohatr’izany ny lalam-pirenena faharoa. Ny vaovao voaray no nahalalana fa nisy fiarabe maty teny Ambatolaona. Niantsoana ireny “grue” ireny nanala azy. Nisy tsy fetezana koa anefa tamin’io fitaovana io. Nanomboka teo, takapa ny làlana. Avy any  Mandraka, nahatratra hatrany amin’ny 14 km ny fiara tsy afaka nihetsika. Ny taty  Manjakandriana, tsy afaka nandroso koa ireo mpampiasa ny lalana hatreny Sambaina.

# – Anosizato. Lehilahy hita faty teo amoron-dàlana. Tovolahy iray “rasta” no hita faty teo amoron-dàlana teny amin’ny faritr’Anosizato, tamin’ny sabotsy teo. Ny vaovao voaray no nahafantarana fa nisy nanindrona antsy izy io. Mbola hita teo amin’ny lamosiny izany antsy namonoana azy izany. Re teny an-toerana fa tamin’io andro io, nisy olona telo niresaka tamin’ilay lehilahy. Gaga anefa ny rehetra avy eo fa ny fatiny sisa hita. Rehefa nojerena ny razana dia voalaza fa voaendaka ity olona ity. Araka izany, heverina fa ireo olona ireo no namono azy. Efa mandeha ny fanadihadiana.

nangonin’i m.L/r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser