Ny sabotsy lasa teo, fatin’ankizy lahy tokony ho 12 taona eo no hitan’ny olona natsingevan’ny ranon’Ikopa. Raha nahita izany ny rehetra, dia niezaka nampakatra ny razana teny amin’ny sisiny. Tsy fantatra koa hoe inona no nahatonga azy io hamoy ny ainy tao anaty ranobe tao. Nisy ireo nilaza fa toa hoe nandeha nilomano izy. Na dia nijanona aza ny orana nikija, fantatra fa tena mbola faran’izay mahery tsy azo sangiana iny rano iny. Teo amin’ny toerana nahitana ny razana, nisy koa ireo niteny fa toa hoe misy lolo ny toerana. Efa nentina tany amin’ny tranom-paty ny razana. Amin’izao fotoanan’ny orana izao, tsy vitsy ireo olona maty an-drano.
Ankoatra izany, ny zoma alina teo vao hita ny fatin’ilay lehilahy izay anisan’ireo niharan-doza tamin’ny talatan’ ny herinandro lasa. Fotoana ela tokoa no nikarohana an’io olona io. Efa vatana mangatsiaka sisa io hita io. Ny andron’ny loza, efatra izy ireo tao anaty fiara voalaza fa nitsoraka tany Ikopa. Avotra ny telo fotoana fohy taorian’ny nahalasanany tany anaty rano. Ilay fahefatra kosa, andro maro no nitadiavana azy. Nampiasaina avokoa izay fomba rehetra tokony hahitana azy, na fara-faharatsiny ny fatiny. Andro vitsivitsy, toa niala maina ny rehetra nanomboka tamin’ny mpamonjy voina ka hatramin’ny tompon-tany mahay ny rano eny an-toerana. Dia mbola re hatrany ny resaka fa misy lolo ilay faritra. Ao koa ireo afaka manazava fa toerana anisan’ny lalina ilay nilatsahan’ny fiara ary misy ranomody ka sarotra araka izany ny hahatafavoaka izay rehetra latsaka ao.
r.s.