- Publicité -
samedi, mai 10, 2025
AccueilFaits-DiversHalatra 4x4 : Voavely sy voadaroka ny mpamily, tsy hita ny fiara

Halatra 4×4 : Voavely sy voadaroka ny mpamily, tsy hita ny fiara

Manjaka indray tato ho ato izay ny halatra fiara. Tsy mifidy mihitsy ireo olon-dratsy eto, fa rehefa fiara tsara tarehy sy tadiavin’ny maro, toy ny Sprinter sy ny 4×4, dia saika lasibatra avokoa. Ny mahazendana ihany dia mitovitovy ihany koa ny fomba fiadin’ireo mpangalatra amin’izany. Toy ity nitranga tetsy Ankadikely Ilafy ny sabotsy lasa teo. Fiara 4×4 iray marika Toyota Prado, no nisy nilaza hanofa io andro io. Tsy niverina intsony anefa izany nony hariva ny andro. Tany Tanjombato kosa no hitan’ny olona efa nivalampatra sy nihosin-drà ny mpamily, tsy hita ny tany nanjavonan’ilay fiara tsara tarehy. Araka ny fampitam-baovao avy tamin’ny mpitandro filaminana, ramatoa mbola mitaiza kely no tonga nanatona ny tompon’ny fiara fa hoe hofainy hitsenana olona eny Ivato ilay 4×4, miaraka amin’ny mpamily. Fotoana fohy taorian’izany anefa, raha nanontany vaovao ny momba an’ilay fiara ny tompony dia maty ny findain’ilay mpamily, ka ny an’ilay ramatoa no nantsoina. Nanambara ity farany fa milamina ny dia ary dia natoky tokoa itsy voalohany. Ny marain’ny alahady teo anefa, hatairana ny azy raha nisy nilaza fa hitan’ny olona mihosin-drà teny Tanjombato ilay mpamiliny. Voadaroka sy voavely ity farany, saingy soa ihany fa tsy afaka ny ain-dehibeny, raha ny fantatra hatrany ary nentina haingana novonjena teny amin’ny hôpitaly. Mazava ho azy fa tsy tazana teny an-toerana ilay fiara nofaina ny omalin’io. Efa eny an-tànan’ny mpitandro filaminana ny raharaha ary efa mandeha ny fikarohana ity fiara ity, araka ny fanazavana azo hatrany. Any amin’ny fampanofana fiara indray izany ireo jiolahy amin’izao fotoana izao no mamely. Na dia efa mailo tahaka ny inona aza mantsy ireo mpampanofa, tsy kely lalana tokoa ry zalahy ireny. Ary mazàna dia efa tambajotra matanjaka no miasa ao ambadika ao, satria dia ao anatin’ny fotoana fohy monja dia efa miova endrika ny fiara. Ny an’ny sasany aza, lasa nisy taratasy madio tampoka sy laharana vaovao .

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser