Ny faran’ny herinandro teo, nisehoana fanafihan-jiolahy teny amin’ny faritra Ambohimamory. Jiolahy enina nirongo fitaovam-piadiana no nandroba tsena roa sy tokantrano iray. Lasan’ireo avokoa ny vola rehetra tao amin’ireo fivarotana. Tao amin’ilay trano indray, najifa koa ireo entana sarobidy. Rehefa azon-dry zalahy izany dia niala ny toerana izy ireo. Ny loharanom-baovao no nahafantarana, fa tamin’ny fotoana nandroban’izy ireo dia saika nitovy avokoa ny fomba nidirany ny tsena sy ny trano. Novakiany ny varavarana ary amboletra no nahatafatsofaka azy ireo. Tao amin’ilay tsena iray, raha mbola nisalasala ny hanome ny vola ny tompon-trano dia voalaza fa nisy zazakely iray nalain’ireo jiolahy, nambanany basy ary nolazainy fa hodarohany raha tsy mivoaka ny vola. Teo anatrehan’izany, tsy maintsy nomena azy ireo izay vola rehetra maty nandritra ny andro. Betsaka ihany no azon’ireto mpandroba ireto tao amin’ny tsena roa. Tamin’ity indray mandeha ity, tsy nandrenesana feom-basy, tsy nisy koa ny naratra. Efa nilazana ny mpitandro filaminana ary misokatra ny fanadihadiana amin’izao fotoana izao.
nangonin’i r.s.