Olona dimy aloha hatreto no saron’ny zandarimariam-pirenena, tamin’ny fanendahana sy ny fangalarana ireny vy amin’ny tetezana ireny. Nitondra faisana tanteraka ny tetezana tamin’ireny lalam-pirenena ireny tato ho ato, indrindra ny tao amin’ny tetezan’i Sahabe Bejofo. Nandray andraikitra ireo mpitandro ny filaminana ny herinandro teo, ka ireto sarona ireto ireo mpangalatra; izay mpanefy mpanamboatra angady sy antsy ary ireo fitaovam-pamokarana vita amin’ny vy. Matetika no tapaka ny lalam-pirenena tato ho ato noho ny fanjavonan’ireo takelaby mandrafitra ireo tetezana, ka sahirana ery ireo mampiasa ny làlana ,nisy mihitsy ny fahatapahan’ny jiron’ny tanànan’Ambatondrazaka, ny febroary 2015 teo noho ny fahasimban’ny tetezana ka tsy nahafahan’ny fiara vaventy haka ny solika; izay mitoby ao Ambaiboho Morarano. Manao antso ny Kolonely Ranaivonampoizina Harilaza lehiben’ny “Groupement Ambatondrazaka” ny hifanomezana tànana amin’ireo tsara sitrapo amin’ny tokony hanomezana ny vaovao marim-pototra ny mpitandro ny filaminana, fa raha matotra ny fiaraha-miasa dia ho foana ny mpanao ratsy.
Janus R