Efa leoleo amin’ity resaka tsy fandriampahalemana manjaka eto an-drenivohitra sy ny manodidina ity ny rehetra ka tsy miandry izay mpitandro filaminana intsony fa avy hatrany dia manafay izay mpanao ratsy tratra. Toy ny nahazo ity tovolahy, manodidina ny 25 taona teo ho eo, teny Ambatonilita, omaly. Raha ny fitantaran’ireo mponina dia ramatoa iray bevohoka avy nitsena mpianatra tamin’ny sekoly iray teny amin’ny manodidina no efa narahin’ity tovolahy ity maso. Somary nibotsimbontsina ihany kao ny pôketr’ity ramatoa ity ka avy hatrany ny nisintona ny mason-dry zalahy. Toy ny tselatra ny nihazakazahany avy any sy nifaoka ilay pôketra teny an-tanan’ilay olona bevohoka. Tsy araka ny maha mitondra rano azy anefa ilay ramatoa fa dia nanaraka sy nanenjika ity mpanendaka ity. Velona ny « sakano, sakano ». Nahita io tranga io ihany koa mantsy ireo mponina teny an-toerana ka avy hatrany dia rafitra nanenjika ilay olon-dratsy. Natsipin’ity tovolahy ity avy hatrany ilay pôketra nony hitany fa ho ratsy ny fandehan’ny tantara. Tsy nahasakana ny olona tsy hanenjika sy hanatratra ity mpanao ratsy anefa izany, ary dia voasambotry ny fokonolona soa aman-tsara ilehio. Vono, daroka … ny ain’ity lehilahy, izay tsy nampoizina ho mpanendaka ity sisa no tsy nanaraka. Nifompona aok’izany ity mpanendaka ity, saingy tsy nahalefy ny hatezeran’ireo mponina, efa tofoka tanteraka amin’ny hafitsoky ny mpangaraom-paosy sy mpanao sinto-mahery eto an-drenivohitra ity izy ireo. Tafaverina tamin’ny tompony ny entana nalainy, izay araka ny fantatra dia tsy nisy afa-tsy finday tao anatiny. Ity olon-dratsy ity tokoa ny hoe, sendra ny nahay azy indray, toy ireo mpanendaka sendra ny bokonozatra tetsy Soarano !
m.L