- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversSAVA – Sambava : Zaza vao teraka hita faty tamin’ny renirano

SAVA – Sambava : Zaza vao teraka hita faty tamin’ny renirano

Teo amin’ny 9 ora sy sasany teo no tonga nanatona an’Atoa Clebert, lehiben’ny fokontany ao  Antanifotsy I, kaominina ambonivohitra sy distrikan’i Sambava, ny mpanamory lakana mampitsaka ny mpandeha eo amin’ny reniranon’i Sambava. Efatra mirahalahy izy ireo no manao anton-draharaha mitatitra olona an-dakana eo amin’ity renirano ity. Samy manana ny lakana iasany ny tsirairay. Nambaran’ireto mpitatitra olona an-dakana ireto  tamin’ny lehiben’ny fokontany, ny polisy, ny mpampivelona iray ary izahay mpanao gazety telo mianadahy nidina nijery teny an-toerana fa eny am-panatanterahana ny asany andavanandro: mitatitra olona an-dakana eo amin’ny reniranon’i Sambava no nahitany sachet fotsy miempo (mitsikafona) eo ambonin’ny renirano. Tsy mbola fantany ny tao anatiny fa fantany kosa fa misy zavatra ao anatiny.  Notohatohanana tamin’ny fivoy ilay sachet mivalana mba hojerena ery amin’ny toerana fitodian-dakana izay tao anatiny. Nibontsina mantsy ilay sachet. Nifatotra ny sofin’ilay sachet  ka novahan’izy ireo. Zaza mena efa miala aina no tao anatiny. Zazavavy efa tsy nisy tadim-poitra intsony no nahitana an’ilay zazamena”. Tsy fantatra na avy taiza na avy taiza no niavian’ny olona nahavita ity heloka bevava ity fa fokontany marobe no manamorona ity reniranon’i Sambava ity. Nalevin’ny fokonolona ny razana fa andrasana kosa ny mety ho tohin’ity tantara ity.

REMI, Rakotonirina

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser