
Voasambotry ny zandary ny bandy efa-dahy namono nahafaty ilay razana roa hita tao Sahanivotry.
Raha tsiahivina, ny datin’ny 8 martsa teo dia naharay antso ny tao amin’ny “poste avancé” tao Sahanivotry fa misy fatin’olona roa lahy nisy nahita. Taorian’ny fizahana natao dia hita fa maty nisy namono izy roa lahy ireto, ary daroka sy vono no nahafaty azy. Feno tsatoka antsy mantsy ny lohan’izy roa lahy ireto ary feno mangana ihany koa. Mbola hita tsy lavitra ny vata mangatsikan’izy roa ihany koa ny nify miisa efatra tamin’ny tany. Midika izany fa mafy tokoa ny daroka nahazo azy. Ny 15 martsa lasa teo, taorian’ny fanadihadiana nataon’ny zandary, dia fantatra fa izany Rafara izany no tompon’antoka tamin’ity vono olona feno habibiana ity. Niroso tamin’ny fisamborana avy hatrany ny zandary ary ny harivan’io ihany dia tafakatra efatra ny voasambotra. Ny sasany avy ao Fenoarivo, ny hafa koa avy ao Iharandramosa.
Niaiky ny heloka vitany izy efa-dahy ireto. Ny fanadihadiana moa no nahafantarana fa vokatry ny hamamoana tsotra izao no nanaperan’izy efa-dahy ny ain’izy roa lahy hita faty ireto. Tsy nisy ny romoromo na fifamaliana fa dia vokatry ny taoka izany no namonoana olona.
Naiditra am-ponja izy efa-dahy miandry ny fitsarana azy.
Andry N.