Taorian’ireny fety roa nifanesy ireny (krismasy sy taom-baovao) dia niparitaka izay tsy izy ny vola sandoka iray alina ariary any amin’ny distrikan’ Ambohimahasoa sy ny manodidina. Ny mpivarotra no tena lasibatra ka efatra izao no tratran’ireto mpanaparitaka vola sandoka ireto tamin’ny alàlan’ny fividianana entana ny asabotsy lasa teo, tao an-tsenan’Asabotsy sy tao an-tsenan’Atalata. Mpivarotra iray no tezitra nefa tsy afa-nanoatra rehefa nahita ny vola sandoka nomen’ny mpanampy azy.
Manitrisa