Nisehoana fanafihan-jiolahy tao an-tanànan’Antsampanimahazo Antsirabe II amin’ny lalam-pirenena fahafito iny ny alahady 12 janoary teo. Jiolahy 12 lahy mirongo fitaovam-piadiana no tonga nanafika toeram-pivarotana iray. Ankeviny efa fantatr’ireo jiolahy ihany ny fisian’ny vola tao amin’ity toerana ity. Araka ny fantatra mantsy dia vola maty nandritra ny faran’ny herinandro teo no najifan’ireo jiolahy. Andro tsy fisokafan’ny banky rahateo ny asabotsy ka voatery notazonin’ny tompon-trano ny vola izay nokasaina apetraka ao amin’ny banky omaly alatsinainy. Antsy lava sy “barre à mine” no fitaovana nentin’ireo jiolahy. Nopoiriny tamin’izany ny varavarana ka vantany vao tafiditra ry zalahy dia ny vola no notakiany avy hatrany. Nikasa handositra teo amin’ny varavarankely ilay tompon-trano niaraka tamin’ny “sac banane” nisy ny vola,saingy tsikariny fa efa misy jiolahy hafa miandry eo ambany varavarankely,izay misy tafontrano hafa ihany koa an’ny mpifanila vodirindrina aminy, izany hoe efa voahodidina ny trano fonenany. Tsy nisy hirika azo nitsoahana intsony, fa nanaiky izay nolazain’ireo jiolahy sisa natao. Daroka avy hatrany no niantefa tamin’ilay tompon-trano, ireo vady aman-janany kosa nasaina nihohoka tamin’ny tany mba tsy hahita ny endrik’ireo jiolahy. Vola 2.500.000 ariary no tao anatin’ilay “sac banane” .Ankoatra izay, noraofin’ireo jiolahy ihany koa ny fahana finday rehetra tao anaty “vitrine” . Tsy naka entana hafa izy ireo fa rehefa izany dia nitsoaka nandositra ry zalahy. Tsikaritry ny teo amin’ny manodidina fa mitovy avokoa ny akanjo nanaovan’ireo olon-dratsy tsy misaron-tava ry zalahy ary saika mitovy avokoa ny fomba fiteniny.
Andry N.