Tao anatin’ny roa andro nisesy, mpandeka roa no azon’ny fokonolona ary saika matin’ny hatezeram-bahoaka. Omaly indray mantsy, tovolahy iray 20 taona teo ho eo, no voasambotry ny mponina teny amin’iny faritra Ambohidahy iny, raha avy nanendaka mpitondra môtô tao anaty tonelina. Raha ny fanazavana azo, finday teny an-tànan’ireo mpandeha môtô no nosarihan’ity mpanendaka ity. Tsy niandry ela anefa, fa rafitra nanenjika avy hatrany ireto niharan’ny halatra ary tsy lasa lavitra akory fa teo amin’ilay làlana miditra mankany Amparibe iny dia efa azo ranamana. Niainga avy hatrany ny daroka sy ny vono, ka ny ainy ihany koa sisa no tsy nanaraka. Tafaverina tamin’ny tompony soa aman-tsara taorian’izay ilay entana nangalarina. Fa resaka mpanendaka hatrany, teny amin’ny faritra Isotry iny, namokatra ny hazalambo nataon’ireo mpitandro filaminana, hiadiana amin’ity resaka tsi- fandriampahalemana, mihamitombo andro aman’alina ity. mpanendaka sivy no tratran’ny pôlisy teny an-toerana omaly sy afak’omaly. Malaza ratsy amin’ny asan-jiolahy isan-karazany mihitsy mantsy iny faritry ny Lalamby, mihazo an’Ankazomanga, Petite Vitesse sy Ambodin’Isotry iny. Tao anatin’ny fisafoana nataon’ny pôlisin’ny boriborintany teny an-toerana mihitsy araka izany no nahazoana ireo mpanendaka ireo, izay voalazan’ireo mponina fa isan’ny mpamely amin’iny faritra iny. Araka ny fampitam-baovao hatrany dia tsy miandry fitoriana sy fitarainana intsony ireo mpitandro filaminana fa avy hatrany dia manao ny asany. Fantatra ary fa isan’ireo mpanendaka efa mpamerin-keloka ireto tratra ireto. Fitsaram-bahoaka etsy an-daniny, fisamborana etsy an-kilany, irariana fotsiny fa mba ho fay ary tsy hisy handimby ireo izay tratra. Eny e, firariana ihany …
m.L