- Publicité -
samedi, juillet 12, 2025
AccueilFaits-DiversAndavamamba : Vola sandoka, nisahotaka ny rehetra

Andavamamba : Vola sandoka, nisahotaka ny rehetra

Nisahotaka ny teny amin’ny faritr’ Andavamba, omaly tokony ho tany amin’ny 5 ora sy sasany tany. Fiara ana mpitandro filaminana no tonga naka olona efatra. Ny resaka re teny an-toerana no nahafantarana fa resaka vola sandoka no nahatonga izany. Naka vola tamin’ireny “kiosque” ireny ny fianakaviana iray nandoavany hofantrano. Naloa tany amin’ny tompon’ny trano izany. Avy eo nandeha nividy zavatra ireo nomena vola. Akory anefa ny hagagany fa nilaza ilay mpivarotra fa vola sandoka ilay nentiny. Dia niverina tany amin’ilay “kiosque” ry zareo nilaza fa vola sandoka no nomena azy. Tsy nanaiky koa anefa ireo ho nanome vola sandoka. Niantso mpitandro filaminana izay tonga marobe ry zareo. Nisy ny fisamborana. Ny nahavariana, tamin’ny vola 100 000 ariary noraisina, iray ihany no voalaza fa sandoka. Mahavariana ihany ny zavatra sahala amin’izao. Tsy fantatra intsony izay tena marina amin’ity tranga omaly ity.

nangonin’i r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser