- Publicité -
dimanche, juin 1, 2025
AccueilFaits-Divers« Association MIAHY » : Hanatanteraka fambolen-kazo

« Association MIAHY » : Hanatanteraka fambolen-kazo

Anio sabotsy faha-21 martsa no hanatanteraka fambolen-kazo eny amin’ny faritra Ambohidratrimo ny fikambanana mpanao asa soa « Association Miahy ». Zanakazo maherin’ny 2 000 no hasitrika amin’izany. Tafiditra indrindra ao amin’ny politikan’ity fikambanana ity izany zavatra izany.

Tamin’ny faha-11 novambra 2014 no nitsangana ity fikamnanana ity ary mahatratra hatrany amin’ny 42 000 ny isan’ny mpikambana ao aminy. Ahitana mpitsabo, mpampivelona, mpampianatra sy mpikambana tsotra. Hanampy ny mpiara-belona no tarigetran’izy ireo. Anisan’izany ny fampiterahana, fitsaboana marary, manao asa soa, mampianatra tenim-pirenena maro sy mandidy. Ao koa ny toerana misy famakiana boky ary ny tsy kely dia ny famolavolana tanora amin’ny fanomezana asa azy ireo. Izany rehetra izany dia maimaim-poana ka eny amin’ny faritra Amboaroy sy Ambohijanahary Antehiroka no misy ireo toerana anantaterahana izany. Anisan’ny hetsika voalohany notontosaina ny faha-8 martsa teo, andro iraisam-pirenena ho an’ny vehivavy. Nisy ny  fanolorana sakafo tsy novidiana, nofonkena mitam-pihavanana sy carnaval.

Manana “centre medical” ry zareo, izay misy écographie, électrocardiographie, fanaovana vakisiny sy fizahana “tension. Ao koa ny centre d’accueil ho an’ireo mararin’ny homamiadana.

r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser