- Publicité -
jeudi, juillet 10, 2025
AccueilFaits-DiversMiarinarivo : Pasitera voavely famaky

Miarinarivo : Pasitera voavely famaky

Nisesisesy indray tato ho ato izay ny fanafihan-dahalo tany amin’iny faritra Miarinarivo iny. Ny alakamisy lasa teo tokoa, trano telo be izao no indray notetezin’ny jiolahy teo amin’ny fololahy teo. Olona iray no fantatra fa naratra mafy vokatr’io fanafihana io, novelesin’ireo olon-dratsy tamin’ny famaky. Araka fampitam-baovao azo dia amin’ny alina ihany ireto olon-dratsy ireo no manao ny asa ratsiny. Tsy nitondra basy izy ireo araka ny fanazavana azo saingy kosa, miravaka zava-maranitra hatrany am-paladiany. Vola an-tapitrisany maro no lasan’izy ireo tamin’ireo fanafihana trano telo nifanesy ireo. Ka isan’ny lasibatra tamin’io ny tranon’ny pastora iray teny an-toerana, izay naratra mafy tokoa. Somary nanohitra ihany mantsy Ingahy Pasy, teo anoloan’ireo jiolahy, saingy tsy nahatohitra ireto irak’i Satana, ka voafira tamin’ny famaky teo amin’ny lohany. Izany anefa dia noho ny vola iray hetsy ariary monja tao amin’ity mpitondra fivavahana ity. Efa eny am-pelan-tanan’ireo mpitandro filaminana moa ny raharaha ankehitriny.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser