Tsy mety milamina mihitsy ao Ilakaka ao, renivohitry ny safira. Fanafihana roa no nisesy tany an-toerana, ary nandrenesana poa-basy avokoa, dia ny alin’ny alarobia teo, tamin’ny sivy ora, sy ny 20 martsa teo, tamin’ny 8 ora alina. Ny zoma alina teo, raha ny vaovao voaray avy tany an-toerana, dia masera no saika notafihan’olona nitondra basy Kalachnikov. Tsiahivina fa namoizana ain’olona tsy manan-tsiny foana ny fanafihan- jiolahy mitam-basy nisy hatrizay ao Ilakaka ao. Ny mahagaga anefa dia tanàna kely ny fokontanin’Ilakaka, ary tsy tokony ho sarotra ihany koa ny mifehy ny lafiny tsy fandriampahalemana ao, satria misy borigadin’ny Zandary, ary ahitana polisy sy miaramila ihany koa. Ao raha !
Eric Man