- Publicité -
jeudi, juillet 10, 2025
AccueilFaits-DiversLalam-pirenena voalohany : Lozam-pifamoivoizana, olona efatra naratra mafy

Lalam-pirenena voalohany : Lozam-pifamoivoizana, olona efatra naratra mafy

Nitombo indray ny isan’ireo niharam-boina teny amin’ny lalam-pirenena voalohany iny. Olona iray no namoy ny ainy, raha telo hafa naratra mafy ka voatery nalefa haingana teny amin’ny toeram-pitsaboana. Samy potika tanteraka sy tsy nisy nanavahana azy avokoa ireo fiara nitondra ireo olona ireo. Nohon’ny fisian’ilay hetsika mahasarika ireo rehetra tia hafangainam-pandeha, natao teny Imeritsiatosika ny faran’ny herinandro lasa teo, nanjary be mpindrana iny lalam-pirenena voalohany iny. Hafangainam-pandeha moa dia saika mirazotra foana amin’ny lozam-pifamoivoizana avy eo. Amin’izay indrindra, fiara kely iray, saika handray anjara tamin’io hetsika mihitsy no niharan-doza teny amin’iny lala-malalaky Fenoarivo ny sabotsy tolakandro teo. Raha ny angom-baovao teny an-toerana, nandeha mafy dia mafy teny amin’iny arabe iny ity fiarakely ity no somary nangalatra lalana, niala sarety teo an-tsisin-dalana ny kamiô be iray. Tsy nahatana ny familiana intsony ny mpamilin’ny fiara ka dia nifatratra teny amin’ilay fiarabe ilay fiarakely, ary namarana ny lalany tany anatina tatatra iray nanamorona ny tanimbary. Mafy ny fifandonana satria dia niongotra tanteraka mihitsy ny aorian’ity fiara ity, izay tsy nisy nanavahana azy intsony. Nahitana fahasimbana ihany koa ilay kamiô lehibe. Olona telo no anaty fiara, izay angamba teo am-panandramana ity fiara ity mihitsy, kanjo dia io loza io no nitranga. Samy nentina haingana novenjana teny amin’ny toeram-pitsaboana izy ireo, ary efa tsy misy atahorana ny ainy. Fa olona iray ihany koa no naratra mafy vokatry ny fifandonana fiara roa, teny amin’iny faritra Imeritsiatosika iny. Araka ny voalazan’ny mpitandro filaminana dia nodomina fiara hafa ny fiaran’io olona io, izay samy nandeha mafy. Vokatry ny fifandonana dia nifindra hatramin’ny familiana mihitsy. Naratra mafy vokatr’izany, ny mpamilin’ilay fiara kely voadona.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser