# – Ampefiloha. Lehilahy nivarotra hosoka. Lehilahy iray no nosamborin’ny polisy avy ao Ampefiloha noho ny hosoka teo amin’ny fivarotana « batterie » efa simba nefa nolazaina fa vaovao. Novidiana 140 000 Ar io kojakojana fiara io. Rehefa tany an-trano anefa vao nahatsikaritra ilay mpividy fa zavatra efa tsy mandeha intsony no nandoavany volabe. Nametraka fitoriana izy, koa avy amin’izany no nisamborana ilay lehilahy. Olona maro no efa voasoloky sahala amin’izao ary efa roa taoana izy no nanambaka.
# – Manarintsoa Atsinanana. Mpividy halatra voasambotra. Lehilahy iray no tra-tehaky ny polisy tamin’ny alahady maraina teo niaraka tamin’ny bisikileta kely halatra nolazainy fa novidiana tamin’olona tsy fantany. Teny Manarintsoa Vorodamba izy no tratra. Rehefa nojerena ilay fitaovana dia fantatra fa anisan’ny entana very tamin’ny fahavakisan’ny trano iray teny Behoririka tamin’ny sabotsy 21 martsa. Zavatra maromaro no lasan’ny mpamaky trano tamin’iznay, vola, alu maromaro akanjo fanaovana fanatanjahantena ary io bisikileta io. Nilaza ity olona ity fa tsy mahalala velively ny amin’ny trano vaky.
# – Analakely. Mpanendaka fito voasambotra. Nisy nanatitra vaovao tany amin’ny polisin’ny boriborintany voalohany Analakely. Fantatra tamin’izany ny anaran’ireo mpanendaka miisa 14 eny amin’iny faritra iny. Misy amin’izy ireo no efa fantatry ny polisy ary nokarohina fotoana ela. Eny ambavahadin’ny Pochard Soarana no tena manendaka ry zalahy. Natao ny fandrika ka voasambotra ny fito tamin’ny sabotsy teo. Omaly no natolotra ny fitsarana izy ireo.
# – Analakely. Vehivavy namingavinga polisy nosamborina. Rehefa nanateran’ny mpitandro filaminana taratasy miantso azy ho any amin’ny birao ity vehivavy iray dia voalaza fa namingavinga sy nanompa ilay polisy. Raha ny tena marina, matetika izy no voaantso any noho ny zavatra ataony eny Analakely. Fandratrana olona mpiara-mivarotra aminy no tena mahavoarohirohy azy. Rehefa voatory anefa izy dia manao raharaham-pihavanana hatrany ary mivaha ny olana. Voalaza fa sahala amin’izany ny zavatra miseho. Omaly izy no natolotra ny mpitsara mpanao famotorana miaraka amin’ny tatitry ny polisy.
nangonin’i r.s.