- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversToliara : Lehilahy mipetra-drery, main’ny afo tao an-tranony

Toliara : Lehilahy mipetra-drery, main’ny afo tao an-tranony

Lehilahy iray tokony ho 40 taona mamolava mipetra-drery no main’ny afo irery tao an-tranony, ny alin’ny asabotsy hifoha alahady teo, tany Toliara. Kila zara raha nisy namantarana azy ny tarehiny. Nahitana fahamaizana ihany koa ny ilan-tanany havia sy nanandrify ny tratrany. Hotohoton’ny afo ny tapany ambonin’ny akanjo nanaovany. Ankevitry ny afon-tsolitany avy amin’ny jiro kapoaka teo andoham-pandrinany no nianjera ka niteraka ny loza. Raha ny angom-baovao dia mpiodana toaka ity raim-pianakaviana ity ary tsy mampidi-bola ka nilaozan’ny vadiny.
Eric Man

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser