- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversMananjary : Saika norotahin'ny olona ilay mpitandro ny filaminana

Mananjary : Saika norotahin’ny olona ilay mpitandro ny filaminana

Ny alakamisy hifoha zoma teo no niandohan’ny olana, tao amin’ny trano fisotroana sady fanaovana karaoké, ao Mananjary. Ilay mpitandro ny filaminana, lehiben’ny vondrona iray ao an-toerana, raha ny marimarina kokoa, ihany no tompon’ilay toerana. Manana mpanampy sy mpibatabata entana izy, mbola samy tsy ampy taona avokoa izy ireo, izay miisa efatra. Nisy tsy ampy kely ny entana tao anatin’ilay trano tamin’ny fotoana nanisan’ilay tompony azy, izay marihina ihany fa lehiben’ny mpitandro ny filaminana. Niakatra ny hatezeran’io farany ka nisambotra avy hatrany azy efa-dahy kely. Nentina tany amin’ny birao ary naiditra tao amin’ny violon. Tsy nijanona tamin’izany fa mbola nodarohana mafy ihany koa ireo tanora efatra. Nisy iray tena voa mafy, lasa rà ny fivalanan-dranony, ka voatery naiditra hopitaly. Naratra ihany koa ireo telo ambiny saingy mba tsy dia naninona loatra raha oharina tamin’ilay iray. Tsy takona nafenina intsony teo ny zava-nitranga ary tonga teny am-pototsofin’ny olona. Nitarika avy hatrany ny hatezeram-bahoaka izany. Tonga teny amin’ilay toerana ny olona marobe ary nikasa ny hanao fitsaram-bahoaka. Teo dia nivoaka ny tena tompon’ny trano (mpanofa ilay mpitandro ny filaminana) ary niangavy ny olona mba hilamina ka tsy hikitika ny tranony. Afa-doza teo ilay nahavanon-doza na dia tsy nandamina tanteraka ny raharaha aza izany. Lasa nifona tany amin’ny Ampanjaka izy raha araka ny vaovao azo farany. Ara-pomba dia miankina betsaka amin’izay mety ho valintenin’ny Ampanjaka ny hampilamina na tsia ny olona. Hatreto kosa dia tsy mbola nametraka fitoriana ny ray aman-drenin’ireo zaza. Raha nanontaniana omaly ny lehiben’io mpitandro ny filaminana io eto an-drenivohitra dia nilaza fa hoesorina ao an-toerana (Mananjary) izy ary efa lasa nidina any ny mpitandro ny filaminana avy any Fianarantsoa naka azy.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser