Nisehoana fanafihan-jiolahy teny amin’ny faritra Alasora tamin’ny faran’ny herinandro teo. Lasan’ireo mpandroba tamin’izany ny vola mitentina hatrany amin’ny 400 000 ariary. Ny loharanom-baovao no nahalalana fa niisa fito ireo jiolahy ary nitondra basy mahery vaika. Nopohiriny tamin’ny “barre à mine” ny varavarana dia teo ry zalahy no niditra nanao hamboletra. Vao tao an-trano izy ireo dia voahambana basy ilay lehilahy lehibe tratrany tao. Tsy afaka nanao na inona na inona izy io fa dia nanaiky fotsiny izay nolazain’ireo mpangalatra. Na izany aza anefa dia voalaza fa niharan’ny vono ity olona ity. Rehefa azon’ireo bandy ireo ny vola dia lasa nandeha izy ireo. Fotoana ela taty aoriana vao afaka nampandre ny mpitandro filaminana ilay voaroba. Efa dila ela anefa ireo mpangalatra. Misokatra ny fanadihadiana amin’izao fotoana izao. Saika isan’andro dia misy hatrany ny fanafihan-jiolahy arahana daroka. Toa lasa zary fanaon’ny mpandroba izany amin’izao fotoana izao. Faritra mena avokoa ny toerana rehetra raha io fanafihan-jiolahy io no resahina.
r.s.