- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversAmbodivona : Mpiambina roalahy voatsatoka antsy, maty ny iray

Ambodivona : Mpiambina roalahy voatsatoka antsy, maty ny iray

AmbodivoinaNisehoana fanendahana niaro tsindrona antsy indray tetsy Ambodivona, omaly hariva. Mpiambina roalahy teny amin’ireny tranokely mpizara vola ireny no niharan’ny vonon’ireo jiolahy. Tsatok’antsy teo amin’ny fony no nahafaty ny iray, raha naratra mafy kosa ilay namany. Araka ny fantatra dia saika hiaro olona, nendahan’ireo olon-dratsy izy roalahy ireto no nivadika tampoka tany amin’izy ireo ny lohan’antsy. Teratany vahiny avy naka vola teo amin’ilay trano kely, no efa narahan’ireto mpanendaka maso. Ary teo am-panaovana ny asa ratsiny mihitsy ireo mpanendaka ireo no hitan’ireo mpiambina, ka niditra an-tsehatra izy ireo. Tratran’ny be no ho vitsy izy roalahy ireto. Raha ny filazan’ireo nanatri-maso mantsy dia maromaro ihany ireo mpanendaka ireo. Tamin’izay indrindra no niantefa teny amin’ilay mpiambina iray ny antsy. Nahazo ny tratrany ary nanatrobaka ny fony. Tsy niandry ela ihany koa fa efa nandratra ilay namany iray ny antsin’ireo olon-dratsy. Nitsoaka avy hatrany ireto olon-dratsy vao avy nandavo ireto roalahy mpiambina ireto. Nifamonjena nentina tany amin’ny toeram-pitsaboana izy roalahy. Saingy noho ny habetsaky rà very, indrisy fa tsy tana intsony ny ain’ilay iray voatsindrona teny amin’ny fony. Tena mahalasa saina tokoa fa efa tsy misy tahotra intsony ireo olon-dratsy, ary tsy mifidy toerana hamelezana olona, eny fa na dia toerana misy mpiambina, na ihany koa hoe misy mpitandro filaminana. Ary izay firongatry ny asan-jiolahy izay tokoa no mahatonga ny olona amin’izao fotoana izao, tsy eto an-drenivohitra ihany fa na hatrany amin’ny faritra aza, hiroso amin’ny fitsaram-bahoaka. Toa tsy mahafay an-dry zalahy sasany akory mantsy ny mahita ireo namany hafa voasambotry ny mpitandro filaminana, izay efa tena manao ny ainy tsy ho zavatra ihany koa.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser