- Publicité SW45 -
dimanche, décembre 22, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversMahajanga : Nitohy omaly maraina ny fitokonan’ny Zanak’i Boina

Mahajanga : Nitohy omaly maraina ny fitokonan’ny Zanak’i Boina

Tamin’ny ankapobeny, araka ny vaovao voaray avy any Mahajanga dia nilamindamin-dratsy ny toe-draharaha tany an-toerana omaly. Ny maraina anefa dia mbola nisy ny fitokonana nataon’ireo zanak’i Boina teo akaikin’ny Hôtel de ville. Toa tsy naharitra ela anefa izany, hoy hatrany ny vaovao fa rava vetivety. Avy be mantsy ny orana tany an-toerana. Etsy andaniny, mikasika ny eny amin’ny onivesrite manokana dia mangina tanteraka eny. Tsy misy olona sahy mandeha na mpandraharaha na mpampianatra noho ny tahotra, hoy ny tompon’andraikitra iray tafaresaka taminay. Nilaza koa izy io fa maro ny fotodrafitrasa potika amin’izao fotoana izao. Manoloana ny fandehan-javatra dia nanao fanambarana iombonana ireo filohan’ny oniversite eto Madagasikara. Vakiana ao anatin’izany ny fampiononana ho an’ny fianakavian’ilay mpianatra namoy ny ainy. Manamafy koa izay ireo ny mba hampiharana ny lalàna mifehy ny oniversite mikasika ny fepetra raisina eo anivon’ny fampianarana ambony.

Nangonin’i r.s.

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser