- Publicité -
mardi, juillet 8, 2025
AccueilFaits-DiversToliara : Avy eny ambony tafo no niditra ireo jiolahy

Toliara : Avy eny ambony tafo no niditra ireo jiolahy

Tsy kely lalana ny ratsy, fa avy teny ambony tafo no niditra ireo jiolahy izay tsy fantatra hoe firy ny isany. Tokantrano iray no lasibatry ny vaky trano, ny talata hifoha alarobia teo, tao Tsimenatse Toliara. Very tamin’izany ny entana maromaro sarobidy mora nobataina. Nentin’ireo olon-dratsy hatramin’ny ambim-bary sy laoka tsy lany tao an-dakozia. Raha ny fanazavana azo dia tsy naheno na inona na inona ny tompon-trano tamin’io. Tsy nivovo ihany koa ireo alika telo natory teo an-dalantsara. Asa, ankevitry nampiasa fonoka ireo mpandroba. Ny maraina vao samy gaga tsy nahita entana maromaro banga tao an-trano, nefa ny varavarana tsy vaky na nisy nanampitsoka. Raha ny tombana dia tany amin’ny roa ora maraina tany no nitrangan’ny asa ratsy. Mpivady avy niari-tory no nahita telolahy nitondra entana nanao dia maika. Nanararaotra ny jiro tapaka amin’ny misasak’alina ao Toliara vokatry ny delestazy, noho ny tsy fahampian’ny gazoaly, ireo olon-dratsy. Marisarisa indray ny fandriampahalemana amin’izao ankatoky ny fetin’ny paska izao.

Eric Man

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser