- Publicité -
mardi, juillet 8, 2025
AccueilFaits-DiversMangoky : Lehilahy iray maty navadiky ny lakana, mbola tsy hita faty...

Mangoky : Lehilahy iray maty navadiky ny lakana, mbola tsy hita faty hatramin’izao

Raim-pianakaviana iray tokony ho 45 taona any no maty navadiky ny lakana raha iny izy naka trondro, afak’omaly tolakandro, tany amin’ny reniranon’i Mangoky any amin’ny distrikan’i Morombe, ary mbola tsy hita ny fatiny hatramin’izao, raha ny vaovao farany voaray tamin’ny ora nanoratanay. Tsy nisy ny rivo-mahery izay mety ho nampivadika ny lakana na ihany koa rano be niakatra tampoka tamin’io andro io. Efa mahazatra an’ity lehilahy ity ny maka trondro sy manarato eo rehefa avy any an-tsaha. Izy tsy tafody ny alina no nahataitra ny fianakaviany, ka natao avy hatrany ny fikarohana. Hita teny amoron-drano ny lakana nentina. Nomarihan’ny vaovao fa tsy vao sambany no misy maty an-drano amin’ity renirano masia-boay ity izay voalaza ihany koa fa misy « lolo ».

Eric Man

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser