- Publicité -
mardi, juillet 8, 2025
AccueilFaits-DiversToliara : Nisesisesy ny lozam-pifamoivoizana

Toliara : Nisesisesy ny lozam-pifamoivoizana

Mihapotika isan’andro ny lalana ao an-tampon-tanànan’i Toliara, na dia teo aza ireo vao namboarina. Vokatry ny ranon’orana sy tsy fahampian’ny fikojakojana no antony iray mahatonga izany. Vokatry ny haratsian-dàlana, tsy fanajana ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana noho ny gaboraraka, ary misy sahy manorina trano ambony « trottoir » toerana natokana ho an’ny mpandeha tongotra, dia nisesisesy tato ho ato ny lozam-pifamoivoizana ao Toliara.
Tamin’ity herinandro ity, tsy latsaky ny fito raha kely indrindra ny loza niseho  naharatrana olona: tovolahy domelin’ny toaka nitondra moto nandeha mafy niala lavaka no nianjera ary vaky loha (torana) nifatratra tamin’ny andrin-jiro, « cyclo-pousse » sy bisikileta nifandona (ramatoa iray tapa-tànana), moto sy posy nifanoroka (mpanao gazety iray tapa-tongotra ka tsy maintsy nodidina). Saika isan’andro ahenoana sy ahitana posy-bisikileta mivadika tampoka eny am-pandehanana miala lavaka mandratra olona foana. Afak’omaly antoandro, fiarabe iray nitondra « conteneur » no nitongilana ka nianjera ny entana nentiny, nanindry nandratra mpivarotra iray ; izay mbola manaraka fitsaboana hatramin’izao.
Eric Man

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser