30Mampidi-doza ary mety mahafaty, ny fihinanana entana lany daty. Amin’izao an-katoky ny fetin’ny paska izao, dia miverina hita eny rehetra eny indray (hatrany ambanivolo) ny karazan-tsakafo lany daty, toy ny: hena am-bifotsy, menaka, « biscuits » sy vatomamy, paty, sns. Ahitana izany avokoa manomboka amin’ny mpivarotra amoron-dalàna, dokany sy toeram-pivarotana lehibe sasany, ka hanairana ny tompon’andraikitra fa mety hitera-doza amin’ny fahasalamam-bahoaka raha tsy misy ny fanapahankevitra hentitra amin’ny fandraofana haingana azy ireny.
Ifandrombahana. Ny tena loza, hatramin’ny fanafody tsy fanta-piaviana ary misy amin’izy ireny no lany daty. Ifandrombahana mpanjifa milendalenda, satria mora vidy sy atao varo-boba. Tsy miraharaha intsony ny mety ho voka-dratsin’izany eo amin’ny fahasalamany ny ankamaroan’ny olona. Raha ny voalazan’ny mpitsabo, dia tsy voatery eo no ho eo no hipoitra ny aretina azo amin’ireny fihinanana entana lany daty ireny, fa mety andro vitsivitsy na maromaro. Tsy ampy ve ny fanarahamaso sa goragora ny fampiharana ny lalàna sa ny fahantrana no lalim-paka loatra, fa hatramin’ny entana lany daty dorana aza mbola misy mandroba ?
Eric Man