- Publicité -
jeudi, mai 15, 2025
AccueilFaits-DiversAdy amin’ny tsifandriampahalemana : Nampanantena ny Filoham-pirenena tany Moramanga

Ady amin’ny tsifandriampahalemana : Nampanantena ny Filoham-pirenena tany Moramanga

Tsy niandry ela ny filoham-pirenena, fa tonga dia namaly avy hatrany ny fangatahana nataon’ny lehiben’ny bekotro maro holatra sy ny lehiben’ny faritra Alaotra Mangoro; izay nangataka ny hampitomboana ny karama raisin’ ireo ankanga sisa nanamborana mandritra ireo andro kely sisa hiainany, noho izy ireo efa mahatsiaro ho osa ara-pivelomana ny ankamaroany. Nanome toky  koa ary ny flioham-pirenena fa tsy maintsy vitany ny lalam-pirenena faha- 44 sy ny hananganana orinasa mpanodina zezika biolojika hanampiana ny filan’ny mponina amin’ny fambolena; izay hiadiana amin’ny fahantrana. Tsy nanadino ny fangatahana ny hahatonga an’i Mangoro ho faritra ihany koa ireo ray aman-dreny izay tsy sasatry ny mangataka izany izay efa ho fanin-droany izay raha tamin’ny filohan’ny repopblika manokana izany. Ity fotoana ity ihany koa no nahitan’ny vahoakan’i Moramanga ny lehiben’ny faritra vaovao izay vao avy nahavita ny famindram-pahefana andro vitsy lasa izay. Niantso ny filoham-pirenena  izy ny amin’ny tokony hisian’ny fanampiana ny faritra Alaotra, noho izy sompitr’i Madagasikara amin’ireo vidin-jezika sy masomboly izay tsy dia takatry ny tantsaha, ka tokony hanatsara ny vokatra hatrany na dia eo aza ny fiovaovan’ny toetr’andro. Vonona ihany koa ny faritra ny amin’ny ady amin’ ny asan-dahalo na dia eo aza ny tsy fahampian’ny fiara tsy mataho-dalana eo am-pelantanan’ireo mpitandro filaminana. Ny filoham-pirenena rahateo vonona ny hanampy ny faritra amin’io ady amin’ny tsifahandriampahalemana io.Tia tanidrazana ny vahoakan’ Alaotra Mangoro, saingy farany amin’ny fampandrosoana hoy ny lehiben’ny faritra vaovao. Ity fotoana ity ihany koa no nanoloran’ny orinasa Ambatovy vary roa taonina sy roan-jato kilao hoan’ireo bekotro maro holatra eto Moramanga. Niantso ny vahoaka rehetra ny lehiben’ny faritra vaovao Ranaivonirina Jean Yves, ny hifanomezan-tanana amin’ny mpitondra hirosoana haingana amin’ny famapandrosoana miaraka; manana adidy ny tanora ankehitriny hanohy ny fitiavan-tanindrazana efa natombok’ireo ray aman-dreny .

Cathy

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser