
Naratra mafy ny raim-pianakaviana iray rehefa niharan’ny daroka isan-karazany. Tokantrano iray etsy Ankaraobato no nidiran’ny olon-dratsy mpanafika ny marain’ny asabotsy teo. Manodidina ny tamin’ny iray ora maraina izy ireo no tonga ary nitazona poleta iray sy zavamaranitra maro, raha araka ny fanazavana azo. Tsy nisy ny vola lasa, fa ireo kojakojan-tokantrano maro tao kosa, no nobatain’ireo jiolahy. Isan’izany ny fahitalavitra fisaka maromaro sy ny finday rehetra tao an-trano. Tao anatin’izay ihany koa no nitranga ilay herisetra izay nandratra ny loham-pianakaviana. Mitaraina ny olona ankehitriny noho ny afitsoky ny asan-jiolahy. Tsy misy izay iray tsy mampiasa basy intsony ireo rehefa manao ny fanafihana. Mazava anefa fa ny atody tsy miady amam-bato, raha vao basy dia aleo manetry tena tsy miady, satria ny aina tsy ananam-piry. Toa mahatsapa miaina ao anaty teritery ny ankamaroan’ny olona ankehitriny, satria vao mipaika ny hariva dia tsy maintsy mody avy hatrany. Na ny toeram-pivarotana aza dia mikatona avokoa vao mody ny masoandro. Misy akony amin’ny fiainana ara-toekarena izany, satria lasa manaraka izany ihany koa ny fidiram-bolan’ny maro. Any amin’ny tany mandroso, dia sady misy ny olona miasa antoandro ary misy koa ireo miasa alina. Izany hoe mihodina andro aman’alina ny tontolo ara-pihariana. Eto amintsika kosa, vokatr’io asan-jiolahy io, dia lasa ny mazava andro ihany sisa ny atao hoe miasa. Dia lasa mivangongo etsy sy eroa ny olona amin’ny antoandro ary miteraka olona marobe loatra mifamezivezy an-drenivohitra. Vokany, lasa tsy ampy avokoa ny fotodrafitrasa rehetra : làlana, toerana fanaovana maloto, ny asa sns ary koa ny fandriampahalemana.
D.R