- Publicité -
samedi, juin 14, 2025
AccueilFaits-DiversIsotry : Fiaran'ny ONG iray norobain'ny jiolahy

Isotry : Fiaran’ny ONG iray norobain’ny jiolahy

Very avokoa ny entana rehetra tao anatiny. Isan’izany ny saika homena ny tra-boina. Fiara tsy mataho-dàlana an’ny fikambanana iray tsy miankina amin’ny fanjakana no norobain’ny olon-dratsy tetsy Isotry. Tsy nisy tavela tao na ny fitaovana fakan-tsary, ny solosaina sy ny finday. Tokony ho tamin’ny 11 ora teo no nitrangan’izany omaly. Efa najifa tanteraka ny tao anaty fiara rehefa niverina ny mpamily. Noezahina nojerena ihany ny teo amin’ny manodidina saingy nandamoaka izany, efa teny an-tànan’ny saka ny entana rehetra. Nampandrenesina ny mpitandro ny filaminana ary nosokafana ny fanadihadiana noho ny fahavoazana. Entana lafovidy avokoa mantsy ireo very tao anatiny. Midika izany rehetra izany fa na ao anaty fiara mihidy aza dia mbola hiharan’ny tsy fandriam-pahalemana hatrany. Tamin’ity indray mitoraka ity aza dia vetivety foana taorian’ny nivoahan’ny olona tao anatiny dia efa voaroba ilay fiara. Matetika dia amidy mora eny amin’ny « petite vitesse » ireo entana halatra, fotoana fohy aorian’ny nandrobàna azy ihany. Saingy sarotra amin’ny olon-tsotra ny manamarina an’izany na dia hitan’izy ireo eny an-toerana ary ny entana. Vetivety rahateo dia efa lafo izany satria efa misy karazan’olona mpijirika izay entana tsara fotsiny eny an-toerana ary mividy izany dia maka tombony, toa ny lalànan’ny varotra rehetra ihany…

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser